<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Doane</author>
<lyrics>[V1]
 Indro Zazakely
 Zanak'i Maria,
 Tompon'ny anjely,
 Nefa nankaty,
 Io no Zazalahy,
 Zanaky ny Ray.
 Tonga mba hitahy:
 Izy no anay.

[V2]
 Mihirà, ry tany,
 Sy ny mponina eo.
 Hafalian-tsy lany,
 Manandrata feo!
 Jeso no deraina,
 Fa Mpanjaka soa;
 He! Ny fanjakany
 Lehibe tokoa.

[V3]
 Zaza nantenaina
 Fony ela be,
 Sady Tompon'aina
 Manan-kery be,
 Mihirà, ry tany!
 Eny, mifalia:
 Hoy ny mpaminany,
 Izy no Mesia:
 Mihirà, ry tany, sns.

[V4]
 Jeso Zaza hendry,
 Masina sy to,
 Tompo voatendry,
 Mpanadio ny fo,
 Aoka mba hijery
 Zao tontolo izao,
 Zaza manan-kery,
 Indro, mba hajao:
 Mihirà, ry tany, sns.</lyrics>
<title>Indro Zazakely zanak'i Maria FFPM73</title>
<hymn_number>73</hymn_number>
</song>